Ilay Nosy (a/c: Dadah Rabel)
Na lavitra aza aho
Tsy manadino anao
Fa toy ny Reny nitaiza
Tsy hadino n’aiza n’aiza
Fa nahitako masoandro
Tiako sy mamiko
Ooo! Tadidiko isan’andro
Tiako ny taniko
Fiv. :
Fa tiako anie, ilay Nosy
Ilay nanabe, nibaby nadrotsirotsy
Fa n’aiza n’aiza honenana
Ny tany nitaiza tsy maintsy hiverenana
…Fa ao no hilevenana
Raha toa aho nadeha
Tsy hitahita tsy re
Tsy hoe akory nanary
Fa nikaroka nihary
Fa ny fanahy ny fo
Tsy taiza fa teo ihany
Tany aminao avokoa
Fa mamy ianao tena mamy
Fiv. : …