Liva & Nounou - Vady ve? (Naly RAKOTOFIRINGA)

2011-11-12 46

Vady ve ?

Ny vady anie ka voafidy tanatin’ny maro
Olon-tokana ihany, tsy azo afangaroharo
Ny vintana sy ny fitiavana
No nitambatra ka nampihavana
Olon-droa hatramin’izay
Nefa nitambatra ho iray.

Vady ve ? Iray faly sy ray fitsikiana
Vady ve ? Olon-droa miray fahoriana.
Vady ve ? Io no anjara sy taolan-tehezana
Vady ve ? Sarobidy io natao fanomezana.

Ny vady anie, tsy hasolo, tsy hatakalo
Toy ny lamban’akoho
Mandra-maty io fa tsy mba mandalo
Miara-manorina ankany
Mizara ny soa sy ny mamy
Olon-tokana fa mahasolo
Ny havana iray manontolo.

Vady ve ? Raha sorena izy manafosafo
Vady ve ? Ny tambitambiny vidina lafo
Vady ve ? Olon-droa miaraka hatrany
Vady ve ? Na dia miady aza miombona ihany.

N. Rakotofiringa