1tantara 29:13 - http://www.baiboly.org/
Misaotra Anao zahay
Misaotra Anao izahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin-kitroka nisy ahy indro fa nidiranao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao
Fiv :
Inona ary no havaliko Anao ?
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao
Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te-hidera Anao
Dia notoloranao tokoa ny fanavotan-dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidian’ny zanakao
Tamin’ny ràny izay madio mba ho isan’ny Anao
Fiv : -----
Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika Aminao
Kanefa noho ny zanakao dia indro fa manantona aho
Manery ahy izany foko resin’ny fitiavanao
Ilay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao
Ndriana Ramamonjy et al.