Tsy hamela irery (Adeline)
Nahoana no milofika ianao
tomany sy ontsa lava izao
angamba olon'tiana no nandao
mamirifiry ny ratra anatinao
tsy zaka ny fahorianao
maizina ny manodidina anao
zay jerena toa maneso avokoa
ny tontolo mirodana koa
FIV
Fantaro fa Andriamanitra
Dia manana làlana,sy drafitra tsara
Nomaniny ho anao
Ka na dia mafy aza ny fitrangan'izany
Azo antoka ny fitondrany
Mitrakà ianao handradrao ny masonao
antsoy Jesosy fa hamaly anao
Antsoy aho hoy Izy amin'ny andro fahoriana
Dia hamonjy anao Aho hamonjy anao
Hatanjao ny sainao dia matokia
Ekeo ny fitondran'ny Tompo anao
Ary ireo fery sy ratram'po
Andriamanitra tsy hamela irery anao
Fiv..